Tonga Soa
Toriteny
Fitandremana
Antsampandrano
Ireo Mpitandrina
Centre Fiderana

Tonga Soa
Vatsim-panahy
Vaovao
Fiainam-pianakaviana
Vaovao Ivelany

FISAFI
Sekoly Alahady
Tanora Kristiana
Laika
Lehilahy Kristiana
Fifohazana
Sampati
Vokovoko Manga
Dorkasy

Faha-125 taona
Rohy
Antoko Mpihira
Blaogy
Spread the word

Andininy anio :




meilleur site
meilleur site politique
Fitandremana Antsampandrano Fiderana

Mana isan'andro   ho hitanao ato



...MARINA AMIN'NY FITONDRANTENANY NY MPINO...


     Miarahaba anao tonga soa. Eto amin'ity tranonkala ity dia ahitanao ny mikasika ny Fitandremana FJKM Antsampandrano Fiderana, izay ao amin'ny faritry ny commune Ankadikely - Ilafy, Antananarivo Avaradrano ary eo ambany avaratr'Ilafy, manamorona ny reniranon'Imamba.



     Ho hitanao ato amin'ity tranonkala ity ihany koa ny tantara hatramin'izay niorenany, ary ny vaovao sy ny hetsika rehetra misy sy mitranga eo amin'ny fiainan'ny Fitandremana.



     Misy koa ireo sary nalaina tamin'ny fotoan-dehiben'ny Fitandremana, izay azo jerena ato amin'ity takelaka ity ihany koa.

---ooOoo---

.: 1FaithFm - Tune in .::. The Internet's most beloved Gospel Channel :.
Misaotra anao mitsidika ity takelaka ity. Mihainoa finaritra ny 1FaithFm, radio @ aterineto be mpankafy ! God bless you all!

---ooOoo---

FOTOAN-DEHIBE FARAN'NY TAONA

« FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA
Synodam-paritany Iarivo Avaradrano
MIARAHABA ANTSIKA,
AMIN’IZAO ANKATOKY NY ASARAMANITRA IZAO DIA FALY IZAHAY :
MIARAHABA ANAREO TSY ANKANAVAKA TRATRY IZAO ANDRO NOELY IZAO SY SAMY HO TRATRY NY TAOM-BAOVAO 2010.
NY TOMPO MANAKAREM-PAHASOAVANA ANIE HOMBA SY HITAHY ANTSIKA REHETRA.
MITOMBO FAHENDRENA, MITOMBO FAHASALAMANA, MITOMBO FAHOMBIAZANA, MITOMBO AMIN’NY FAHATAHORANA AN’ANDRIAMANITRA SY AMIN’NY FISAORANA ARY NY FANOMEZAM-BONINAHITRA AZY SATRIA IZY IRERY IHANY NO AFAKA MANDRINDRA SY MITARIKA NY FIAINANTSIKA REHETRA ARY MAHALALA NY FAHASOAVANA AMIN’NY HO AVY.

Manasa ny taranaky ny Fjkm Antsampandrano Fiderana rehetra hiara-hidera sy hankalaza an’Andriamanitra ny Alahady 27 Desambra, manomboka amin’ny 9 ora 30.

  • 27 Desambra 2009 : Fandraisana ireo Katekomena ho Mpandray ny Fanasan'ny Tompo


---ooOoo---

Pejin'ny Jobily faha-125 taona Fiangonana. Hira Faneva, Vaovao, Tsangam-bato. Tsindrio eto !

---ooOoo---

TETIKASA TSANGAMBATO 125 TAONA

Fankalazana ny faha-125 taona nijoroan'ny Fiangonana (1883-2008)

Misaora an'i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina. Misaora an'i Jehovah ry fanahiko, ary aza misy hadinoina ny fitahiany rehetra. Salamo 103 : 1-2

 14 Alahasaty 1883 - 2008. 125 taona no vita izao Fiangonana izao raha tsy trano zozoro no nisy tety tamin'izany fotoana izany. EZAKA FANAVAOZANA NY LOKON'NY FIANGONANA Izany indray no ezaka miandry antsika, ao anatin'izao fankalazana ny faha-125 taonan'ny Fiangonana izao. Raha tsiahivina fohy ireo ezaka efa vita dia :

  • Oktobra 2007 : Fanokanana ny làlana miakatra
  • Novambra 2007 : Fanavaozana ny fandrim-baratry ny Tilikambo
  • Desambra 2007 : Fanavaozana ireo dabilion'ny Fiangonana
  • Febroary 2008 : Fandraisan-tanana ny Mpitandrina Rakotomahanina Andritomady Normand Laurel
  • Martsa 2008 : Fametrahana ny jiro famantarana na "enseigne lumineuse"n-ny Fiangonana
  • Aprily 2008 : Fanavaozana ny fanamafisam-peon'ny Fitandremana tamin'ny fanolorana "amplificateur" vaovao sy baffles roa ary micros.
  • 21 Desambra 2008 : Fanavaozana ny lokon'ny Fiangonana. Fandokoana ny tafo sy ny tilikambo, Fandokoana ny rindrina ivelany, Fandokoana ny anatiny
  • Centre de Santé et de Formation Fiderana
  • ---ooOoo---

    I-Fandraisana @ Raiamandreny Mpitandrina
    Finday : +261 33 02 956 87
    Telma : +261 20 24 145 53


---ooOoo---


Sary samihafa

---ooOoo---
i-Fandraisana
Ity takelaka ity koa dia natao ifandraisany @ zanany rehetra miely eran'i Madagasikara sy any an-dafin'ny riaka sy ho an'ny olona rehetra te-hifandray amin'ny Fitandremana FJKM Antsampandrano Fiderana. Fanirianay ihany koa ny hifandray aminao mba handraisanay ny hevitra avy any aminao mpitsidika ny tranokala : fanamarihana, soso-kevitra, vaovao na koa misy zavatra hafa mahaliana anao.
Ity ny adiresy i-mailakin'ny Fitandremana fjkm.antsampandrano@gmail.com.
 
---ooOoo---

Mandehana raha mbola manana ny mazava ianareo... Ary mivavaha amin'ny Rainareo

Jao. 12 35b ; Mat. 6 : 6



Diary
[Copyright © 2007-2009, FJKM ANTSAMPANDRANO FIDERANA.] i-Fandraisana  [fjkm.antsampandrano@gmail.com]